Ambatondrazaka – Nanjavona tao am-bala ny omby miisa 8
Mbola mahazo vahana hatrany ny halatr’omby any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Tamin’ny talata 31 mey teo dia omby miisa 8 indray no nanjavona tao am-bala, tany amin’ny fokontany Antanambao. Tsy fantatra ireo nahavanon-doza na ny fotoana nidiran’izy ireo tao an-tanàna satria tsy re-tsaika mihitsy ny nanantanterahan’izy ireo izao asa ratsy izao. Efa tamin’ny 2 ora maraina ny tompon’ny omby vao nahatsikaritra fa tsy ao am-bala intsony ireo biby. Nampandre ny mpitandro filaminana ny tenany ka nidina teny an-toerana ny polisy nanao ny fizahana ary niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia izay namonjy niankandrefana. Ny androtr’io ihany tamin’ny 5ora maraina dia tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby valo. Ireo malaso kosa rifatra nandositra avokoa vao nahatazana ireo mpanara-dia.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







