Fanodinana fako – Havadika zezika ny eto an-drenivohitra
Manoloana ny fivangongoan’ny fako eto andrenivohitra dia nanao fikarohana ireo manam-pahaizana avy ivelany, niarahana tamin’ny “Region Ile-de-France” mba hitadiavana vahaolana. Araka ny tatitra azo, mahatratra 320 000 taonina isan-taona ny fako raofina eto an-drenivohitra, nefa efa tsy mahazaka izany intsony eny Andralanitra ary miteraka aretina amin’ireo mponina manodidina ny fofona entiny. Nanomboka ny taona 2015 dia niezaka namantatra ny mahakasika ny fomba fiasa sy fitantanana ny fako eto Antananarivo ireo manam-pahaizana ireo ary nanolotra vahaolana ka ny fanodinana sy ny fanomezana lanja ireo fako no hita amin’ny alalan’ny fanaovana “compost”.
Nisy arak’izany ny famelabelarana mahakasika ny fako eto an-drenivohitra niarahana tamin’ny Samva omaly teny amin’ny “Institut des métiers de la ville” eny Tsimbazaza. Ny tanjona dia ny hametrahana ny fomba fanodinana ireo fako mba hialana amin’ny fitaterana azy eny Andralanitra. Hanakaiky kokoa ny fokontany indrindra ho an’ireo tsy tafiditry ny fiara lehiben’ny Samva. “Toerana efatra no hanaovana azy fa hatomboka eny Antanimena ao amin’ny “pepinière” monisipaly izany. Tsy voavaha manontolo ireo 320 000 taonina io fa ezahina hahena. Raha Antanimena manokana izao dia 2 taonina isaky ny herinandro no afaka ahodina ary mbola andrana no atao”, hoy i Randriatsimiory Anthonio, tompon’andraikitry ny tetikasa ao amin’ny fambolena an-drenivohitra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







