Foloalindahy – Fifamindrana sy fandraisam-pahefana
Tontosa omaly voalohany volana jiona teny amin’ny kianja miaramila Betongolo ny lanonana ara-miaramila fifamindram-pahefana sy fandraisam-pahefana teo anivon’ny foloalindahy malagasy, ny zandarimariam-pirenena sy ny tafika. Izany dia notanterahina teo ambany fitarihan’ny jeneraly Razafindrakoto Lantoarinjaka, lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika malagasy sy jeneraly Ramiandrisoa Jean Dieu Daniel, kaomandin’ny zandarimariam-pirenana ary notronin’ny jeneraly minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny jeneraly sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary ny olo-manan-kaja maro.
Teo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia nisy telo sosona ny lanonana ka voalohany tamin’izany ny fifamindram-pahefana teo amin’ny fibaikoana ireo sekolin’ny zandary, ny fibaikona ireo vondron-kery manokana eny Ivato ary farany dia ny avy ao amin’ny hery vonjy taitran’ny zandarimaria eny Fort-Duchesne. Ny teo amin’ny tafika Malagasy kosa dia nisy lanonana efatra sosona: ny teo amin’ny rezimanta faritany miaramila, ny teo amin’ny hery an’habakabaka, ny komandin’ny hery vonjy taitra an’ny tafika Malagasy ary ny fibaikona ny hery fampandrosoana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







