Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Moramanga – Zazalahy roa nipoahan’ny baomba

Zazalahy roa no naratra mafy rehefa nipoahan’ny baomba tany Moramanga. Ny 29 may, tamin’ny 6ora hariva, tany Ankeniheny ao amin’ny kaominina Beparasy no nisehoan’izany. Araka ny tatitry ny zandary dia ny 23 mey tokony tamin’ny 9 ora maraina dia nahita “explosif” teo an-tokontany tany amin’ny toerana voalaza io ny ankizilahy 3, rehefa nilalao ka nentin’izy ireo tany an-tranony izany. Tsy nilaza tamin’iza na iza izy ireo fa nolalaovina teny foana ilay baomba nandritra ny herinandro fa tamin’io 29 mey io izany vao nipoaka rehefa nampifampikasohana ny tariby teo aminy. Vokany, potika ny ankihibe sy ny fanondron’ny tovolohay 13 taona ary naratra kosa ny tarehin’ilay faharoa. Niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona vao niseho ny loza ka nandritra ny fizahana no nahalalana fa “explosif” ilay izy satria somary maranitra ny vodiny. Tsy fantatra kosa ny tompon’ilay fitaovana na ny antony saika hampiasana azy. Nentina namonjy ny Chd Moramanga ireo zaza notsaboina. Mitohy kosa ny fanadihadiana hikarohana ny tompony.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre