Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Mila atsahatra ny fifanenjehana !

Ny hisavorovoroan-kilantoana, hoy ny fitenenana, ary izay tsy miady olom-bodo fa izay to fo mpamosavy. Mitady ho latsaka amin’ny kizo ny firenena ankehitriny raha mbola mitohy izao fifanenjehana sy fifankahalana ataon’ny mpanao politika sy ny mpitarika sendika ary ny mpitandro filaminana sy ny fitondram-panjakana izao. Ny vy tsy mikintrana irery fa samy manana ny tsy nety nataony ary samy manana ny rariny ho azy ihany koa, kanefa ireo herivelona rehetra dia samy tafiditra amin’izao savorovoro tsy mety milamina eto amin’ny firenena izao. Tsy hisy na iza na iza hahazo tombony amin’ny fihitaran’ny toe-draharaha izay mety hitondra any amin’ny krizy vaovao, izay vao maika hamotika sy hanimba tanteraka an’ity Madagasikara ity.

Manana ny vahaolana mirakla handravonana ny disadisa misy ny malagasy dia ny fametrahana ambony ny hasin’ny fihavanana ka handevenana im-pito mandifotr’olona ny fisaraham-bazana sy ny fifankahalana. Fotoanan’ny fanehona fitiavana sy firaisan-kina rahateo izao ankatoky ny fetim-pirenena izao fa tsy andron’ny fifandranintana sy ny fifandonana. Mora am-pitenenana anefa izany fampanjakana ny fihavanana izany fa sarotra tanterahina satria tsy maintsy mampandefitra ny ambom-po ary maneho ny fanetren-tena. Tsy mora izany hoe handefitra manana ny rariny nefa kosa tsara kokoa ny manao hendry mody diso mba hisorohana ny fisaraham-bazana.

Mila hajanona, noho izany, ny fifampihantsiana isan-karazany izay toa vao maika mandrehitra ny afom-pifankahalana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra. Andaniny ny fitondram-panjakana dia tsy miafina fa mampiseho hery amin’ny alalan’ireny famoahana didy fisavana tranon’olona sy didy fampisamborana ireny. Vato iray ve dia mba ho aiza, hoy ny fiteny ary raha adika amin’ny teny mivantana dia olona iray, roa na telo ve dia hahavita hanongam-panjakana ? Ry zareo rahateo efa nangina tsy niteny ary nanaiky ny fisavana trano izay tsy nahitana porofo na kely aza, ka  tokony hajanona amin’izay ny fanenjehana azy ireny. Tsy hisy tombontsoan’ity fitondrana ity mihitsy ny hanao ramatahora amin’ireo mpandraharaha sy mpanao politika ary manam-boninahitra sasantsasany amin’izao fotoan’ny fitakian’ny firenena ny fahamarinan-toerana politika izao.

Ankilany ihany koa anefa dia maro ireo mpandranitra nefa tsy sahy miroso mivantana manatanteraka ny fitakiany fa manao fikitra mpampiady angely amin’ny fanambarana eny amin’ny haino aman-jery fotsiny. Misy mihitsy ireo milaza fa hanao fitokonana faobe, mitaky ny fialan’ny mpitondra, mitaky fifidianana filoha mialohan’ny fotoana nefa tsy hita izay hetsika ataon’izy ireo hanatanterahana izany. Lasa atao tohatra fiakarana fotsiny ireo olona enjehin’ny Fanjakana mba hanasarotana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. Hadinon’izy ireo ilay fitenenana hoe : aza manao vain-drahalahy tsy mba maharary ka mitady ny hirika rehetra mba hampipoaka ny korontana. Raha tsy miravona haingana mantsy ny disadisa misy amin’izao fotoana izao dia hihafara amin’ny fifampisamborana sy ny fifamonoana eto izay tena ho zava-doza tanteraka ho an’ny firenena. Raha mbola misy olon-kendry sy mihevitra ny tenany ho raiamandreny eto amin’ny firenena dia mila mijoro mandresy lahatra ny mpitondra tsy hanao antsojay amin’izay tsy mitovy hevitra amin’ny fanjakana izy ireo ary mila mananatra ireo sendika sy mpanao politika mpanohitra ihany koa mba ho tonga saina ka tsy hitarika ny firenena hilatsaka ao anatin’ny krizy sy ny fifamotehana indray.

Tsy hisy tombontsoa ho an’ny firenena sy ny fitondram-panjakana mihitsy mantsy ny fanenjehana sy fisamborana ary fanagadrana ireo olona sahy miteny ny tsy mety eto amin’ny fitantanana ny firenena. Ny mpanohitra kosa dia tsy manana antoka fa hilamina tanteraka ny toe-draharaha ary handroso be avy hatrany i Madagasikara raha toa ka vitan’izy ireo ny manongana io fitondram-panjakana io amin’ny alala’ny hetsi-bahoaka na ihany koa fomba hafa.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre