Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Halatr’omby – Olona roa namoy ny ainy

Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny fokonolona sy ny dahalo nandritra ny fanafihana niseho tany amin’ny toerana roa, tamin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny, ny 31 mey lasa teo. Vokany, olona roa no namoy ny ainy. Tany amin’ny distrika Mahabo no niseho ny fanafihana voalohany, tokony tamin’ny 11ora alina, tao amin’ny fokontany Fenoarivo, kaominina Beronono. Andian-dahalo tsy fantatra isa nirongo basim-borona no nanafika ity tanàna ity. Omby maromaro no lasa ary maty voatifitra ny tompon’omby nikasa hanohitra azy ireo. Nisy ny fanarahan-dia taorian’izay ka efa nisy tafaverina ny sasany tamin’ireo omby. Tamin’ny 4ora maraina kosa ny fanafihana manaraka, tany amiin’ny distrika Miandrivazo. Dahalo roapolo isa nilanja basim-borona 15 no nandroba omby miisa 9, tany amin’ny fokontany Ampihiaky, kaominina Anosimena. Fokonolona iray ihany koa no namoy ny ainy nandritra ny fanafihana ary fito no naratra. Mitohy ny fanarahan-dia miaraka amin’ny fokonolona.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre