Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Halatra vary niteraka fitsaram-bahoaka – Voasambotra ireo telolahy naman’ilay tapa-doha

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ny halatra vary niteraka fitsaram-bahoaka tany Manakara ny 22 mey lasa teo dia telolahy hafa no voasambotry ny zandary. Ny voalohany volana jiona teo, tany amin’ny kaominina Ampasimanjeva no tratran’ny zandary ireo jiolahy 3, izay voarohirohy ho isan’ny nandray anjara tamin’ny fangalarana vary am-potorany, naman’ilay iray voatapa-doha, tany amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Mitanty. Koa rehefa natao famotorana izy ireo dia nanondro lehilahy 3 hafa namono ilay niharan’ny fitsaram-bahoaka izy ireo. Taorian’izay dia nanome baiko avy hatrany ny mpampanoa lalàna fa tonga dia atolotra ny Fitsarana izy ireo ny omaly 2 jiona. Mitohy noho izany ny fikarohana ireo telo lahy nanapa-doha ireo.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre