Taom-pianarana 2016-2017 – Naroso ny fidiran’ny mpianatra
Manoloana ny krizy nolalovan’ny firenena nanomboka ny taona 2009 dia nisy ny fihemoran’ny fanadinam-panjakana teto Madagasikara ary nihemotra nanaraka izay ihany koa ny fidiran’ny mpianatra. Efa niezaka ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena nampirindra ny fampianarana ary efa miverina amin’ny laoniny ny fandaharana amin’izao fotoana izao ka anisan’izany ny fandrosoana ny taom-pianarana 2016-2017. Raha ny misasaka ny volana oktobra any foana no nahazatra tato anatin’ny 7 taona mahery dia naroso ny voalohany izany volana izany ny fidiran’ny mpianatra ka ny 3 oktobra ho avy izao izany ho an’ny sekolim-panjakana ary ny volana septambra kosa ho an’ireo sekoly tsy miankina sasany.
Averina ny CAE
Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana kosa indray dia averina ny fanadinana Cap, indrindra ny Cae, raha efa najanona nandritra ny taona maro. « Nahita ny ministera fa ilaina io « Certificat d’aptitude à l’enseignement » ho fanatsarana ny pedagojia ho an’ny mpampianatra satria ny ankamaroan’ireo Fram dia Bepc avokoa ny diplaoma ka mila manao Cae izy ireo mba ho matihanina kokoa amin’ny asany », hoy i Dr Andriamampandry Todisoa, tale jeneralin’ny fampianarana eo anivon’ny ministera. Marihina fa efa nifarana ny 27 mey lasa teo ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana Cae izay. Tanjona, rehefa tapitra ny fandraisana mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana dia tsy maintsy izay mpampianatra niofana tamin’ireny ivotoaram-pirenena sy fiofanana pedagogika ary ny Ens no ho raisina.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







