Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fampiharana ny miralenta – Efa lany andro ny eto Madagasikara

Nisongadina fa nisy ny vokatra azo tsapain-tanana eto Madagasikara momba ny fampiharana ny miralenta nefa nihemotra izany amin’ny sehatra sasany. Tsikaritra izany amin’ny fampidirana ny ankizivavy any an-dakilasy saingy mihena an-daharana izy ireo rehefa miakatra ny ambaratonga faharoa sy ny ambaratonga ambony. Eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eo anivon’ny fiainanan’ny firenana indray dia nidina ho 20% ny isan’ny solombavambahoaka vehivavy raha 30% izany ny taona 2009-2012 nefa ny 50,2% ny vahoaka Malagasy dia andriambavilanitra avokoa.

Nisy noho izany ny fifanakalozan-kevitra haharitra roa andro teo amin’ny andrim-panjakana momba ny fifanarahana fiara-miasa amin’ny Sadc mahakasika ny miralenta sy ny fampandrosoana, teny Ankorondrano. « Hisy ny volavolan-kevitra hampifandrindrana ary resaka lalàna no andrasana, hijerena ny tena mbola marary amin’ny vehivavy Malagasy. Ohatra amin’izany, ny lalànan’ny fampananan-tany », hoy i Marie Françine Kidja, tale jeneralin’ny fampiroboroboan’ny vehivavy eo anivon’ny Sadc. Araka ny tatitra azo anefa dia efa lany andro ny resaka miralenta eto Madagasikara satria mbola volavolan-dalàna nifandraika tamin’ny Omd ka tsy maintsy hampifandraisina amin’ny Odd 2030 sy Beijing +20 ary ny agenda 2063. Ny volana jolay ho avy izao no ekena izany ary ho soniavina ny volana aogositra, izay vao ho ampiarina amin’ny firenena mivondrona ao amin’ny Sadc.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre