Befotaka Avaratra – Lehilahy 80 taona may kilan’ny afo tao an-tranony
Nitrangana hain-trano namoizana ain’olona tany amin’ny fokontany sy kaominina Befotaka Avaratra, any amin’ny distrikan’Analalava ny 31 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny 2ora maraina. Tranon’ny lehilahy iray misy efitra 4 izay mitafo ravinala no nodoran’ny olona roa, monina any amin’io toerana io hatrany. Nijoalajoala ny afo ary noho izy vita tamin’ny ravinala izay dia vetivety dia niparitaka eran’ny trano ny fahamaizana.
Tsy fantatra ny anton’izao sotasota izao fa lehilahy lehibe iray 80 taona no may kila forehitra tao an-trano ary nitarika tamin’ny fahafatesany. Ity farany izay tsy tafavoaka nandritra ny fipoahan’ny afo. Potika hotohoto ihany koa ireo entana rehetra tao anatiny ka tsy nisy niangana mihitsy. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ary hisambotra ireo nahavanona ny loza saingy tsy hita popoka ny nisy azy ireo raha vao naheno fa nisy maty kilan’ny afo. Natao ny fikarohana azy roalahy tompon’antoka tamin’ny fandorana ka tratra ihany izy ireo ary efa hatao famotorana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







