Eniap Antsirabe – Famindram-pibaikoana
Tontosa ny alakamisy 2 jiona lasa teo tany amin’ny Eniap Antsirabe, ny famindram-pibaikoana teo amin’ny talen’ny Sekolim-pirenena manofana ireo mpianatra ho « Inspecteurs sy Agents de police ». Ny tale teo aloha, Tolojanahary Mahafaly Zénit, contrôleur général de police, sy ny tale vaovao, ny commissaire principale de police Randrianirinaharivelo Jean Yves Rémi izay vao voatendry tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena ny « contrôleur général de Police » Rajaobelina Joachim. Notsiahiviny nandritra ny fandraisany fitenenana fa ankoatra ireo laharam-pahamehana telo dia ny ady amin’ny fahantrana sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena dia mbola vaindohan-draharaha hatrany ny ady amin’ny kolikoly izay tsy afa-misaraka amin’ny fanajana ny fitsipi-pifehezana. Izany rehetra izany anefa, hoy izy, dia mila miainga any ifotony dia ny eo anivon’ny sekoly izany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







