Miandrivazo – Raim-pianakaviana iray lavon’ny balan’ireo jiolahy
Lehilahy lehibe iray, 60 taona no namoy ny ainy, ny alin’ny alakamisy 2 jiona nandritra ny fanafihana mitam-piadiana, niseho tany Miandrivazo. Jiolahy miisa 3 nirongo basy no fantatra fa nanafika tokantrano iray, monina any amin’ny fokontany Ampanasana, tamin’ny 7ora hariva. Nirefodrefotra ny poa-basy nandritra ny fanafihana rehetra mba hampihorohorona ny manodidina tsy hanohitra satria amin’ny fotoana mbola be olona mivezivezy no nitranga izany. Samy natahotra ny ainy tsy ho faty koa ny olona dia naleon’izy ireo namitsaka tao an-tranony. Notifirin’ireo jiolahy ny varavarana ka nipitsoka avy hatrany sady niantefa teny amin’ny tratran’ilay raim-pianakaviana tao an-trano ny bala. Tsy nialana nenina akory fa dia maty teo no ho eo ilay lasibatra. Vao nahita izany anefa ireo olon-dratsy dia vaky nandositra tsy naka na inona na inona.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







