Iray volan’ny Ramadany – Hanomboka anio na rahampitso
Hotanterahina manomboka anio alatsinainy 6 jiona na rahampitso talata 7 jiona ny iray volan’ny Ramadany ho an’ireo mpino Silamo eto Madagasikara. Miankina amin’ny tsinam-bolana izy io, hoy I Cheik Rijaly, Jean Bell, tompon’andraikitry ny mpino Silamo Chiite. Ny ramadany dia fotoana natao hifehezan’izy ireo tena mandritra ny 29 na 30 andro. Izany hoe fitazoman-tena atao ho an’ny Tompo Zanahary, ny tsy hanao zavatra voafetra mandritra ny fotoana voafetra. Anisan’izany ny tsy fahafahana misotro na misakafo, ny tsy fahafahana miray ara-nofo, ny filazana lainga mikasika an’Andriamanitra. Ary izany dia adidy fanompoana izay nandidian’Andriamanitra ny mpino Silamo rehetra. Marihina anefa fa tsy terena ny fanaovana ny Ramadany ary olona salama vatana, mahazaka mifady hanina no manao azy. Ho an’ireo mivondrona ao amin’ny Chiite kosa dia hisy ny fampianarana isan’andro izay ho tanterahina eny Anosimasina Itaosy isan-kariva ary arahina vavaka izany aorian’ny filentehan’ny masoandro izay fotoana iray hafahafan’ny rehetra mitodika sy mifantoka amin’I Allah.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







