Mahabo – Fokonolona roa maty voatifitry ny dahalo
Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ireo dahalo sy ny fokonolona tany amin’ny distrika Mahabo ny zoma 3 jiona lasa teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro dia nisehoan’ny fanafihan-dahalo, tany amin’ny toerana atao hoe Antamotamo, kaominina Ambia. Andian-dahalo miisa 8 nitondra basim-borona no nanafika valan’omby ka lasa ny biby 40 mahery. Nampilaza ny zandary avy hatrany ny lasibatra vao niala ny tanàna ireo olon-dratsy. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny manam-pahefana ary niroso tamin’ny fanarahan-dia avy eo. Ora roa taty aoriana dia nifanehitra ny roa tonta ka raikitra ny fifandonana. Naharitra ora maromaro ny fifampifitifirana ka namoy ny ainy voatifitr’ireo dahalo ny fokonolona roa ka anisan’izany ny tompon’omby. Tsy nahasakana ny mpanara-dia anefa izany fa nitohy hatrany ny fifandonana ka lavon’ny balan’izy ireo ihany koa ny dahalo telolahy ary ny iray naratra mafy saingy mbola afaka nandositra hatrany. Mbola mitohy ny fanarahan-dia.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







