Fanafihana mitam-piadiana – Voasambotra ireo mpisandoka ho polisy
Tratra ireo mpisandoka ho polisy ny alin’ny alakamisy teo rehefa avy nanendaka mpandeha an-tongotra. Tokony tamin’ny 10ora alina dia naharay antso ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Itaosy nilaza fa misy olona voaendaka, eny Antanetibe Ambohidrapeto. Nidina teny an-toerana avy hatrany izy ireo nijery ny zava-misy ka tamin’izany no nahitana lehilahy roa nanao fihetsika hafahafa. Nosakanan’ny mpitandro filaminana izy ireo saingy tsy nety nijanona raha tsy nanao tifi-danitra ireto farany. Rehefa nosavaina teny amin’izy ireo dia nahitana taim-bala misy vodina lakile, hazo elektrika, rongony iray fonosana, “contravention”-n’ny polisy maromaro, “insigne”-n’ny polisy ary karatra maha-matihanana ny polisy hatrany. Niaiky fa azy ireo ny fitaovana entina manao ny asa ratsy sy hampitahorana ireo lasibatra. Nandritra ny fanadihadiana natao no nilazan’ireo jiolahy fa misandoka ho polisy izy ireo ary midoroka rongony mialohan’ny hanantanterahana ny fanafihana. Tamin’izany ihany koa no nanondroiny ny naman’izy ireo iray ary nosamborina tany an-tranony ny marain’ny zoma 3 jiona. Marihina fa mpamerin-keloka ny iray, izay efa nigadra teny Antanimora ny taona 2005. Natolotra ny Fitsarana ny sabotsy teo ny raharaha.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







