Port-Bergé – Zazavavy 6 taona maty nofaohan’ny fiara
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana ain’olona ny lalam-pirenena Rn6. Zazavavy kely 6 taona no maty tsy tra-drano nofaohan’ny fiara ny faran’ny herinandro teo tamin’ny 10ora mraina, tany amin’ny fokontany sy kaominina Andrevorevo, distrika Port-Berge, izay nanoloana ny toeram-pitsaboana. Avy nivavaka sendra niampita tampoka ilay zazavavy sy ny zandriny kely vao 3 taona monja no voafaokan’ilay fiara kamionety fotsy marika Jac hihazo ny tanànan’Ambalafaninitry. Ity farany izay nitondra mpianatra avy nanao fanatanjahantena an-tsekoly tany Port-Bergé. Nahery vaika ny loza ka nipitika 10 metatra ny toerana nisehoan’ny loza ilay zaza ary nitontona tamin’ny tany. Vaky ny lohany izay nitarika ny fahafatesany teo no ho eo, raha toa ka nahitana ratra kely fotsiny ny zandriny. Vao niseho anefa ny loza dia vaky nandositra ilay mpamily natahotra ny hiharan’ny fitsaram-bahoaka. Marihina fa fiaran’ny ben’ny tanàn’ny kaominina Ambodisakoana, any amin’ny distrika Port-Bergé ihany ity namoa-doza ity. Nampidinina avokoa noho izany ireo olona tao anatin’io fiara io ary nampidirina “fourrière” izany avy eo. Natolotra ny havany ny razana taorian’ny fizahana. Karohina kosa ilay nahavanon-doza.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







