Asan-jiolahy – Olona telo tratra ka vehivavy ny iray
Nisehoana asan-jiolahy mitam-piadiana tany Anjozorobe, ny zoma lasa teo, tamin’ny 4ora sy sasany maraina. Jiolahy roa nirongo basim-borona no nanafika tany Kotovola, fokontany Ambohijavona tamin’io fotoana io. Rehefa nahazo fampandrenesana tamin’ny ben’ny tanàna sy delege ny zandary dia niainga avy hatrany namonjy ny toerana voalaza etsy ambony. Efa tsy tratra tao an-toerana intsony anefa ireo olon-dratsy ka nanenjika tamin’ny kodiaran-droa ireo mpitandro filaminana. Nony tonga tao amin’ny tanàna atao hoe Ambodivato teo tratra ireo dahalo roalahy niaraka tamin’ny ramatoa iray nampiantrano azy ireo. Sarona niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny basy vita gasy mahery vaika iray sy ody gasy maromaro.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







