Nosy-Be – Vazaha iray tsy hita, nalentikin’ny ranomasina
Vazaha iray no tsy hay maty tsy hay velona amin’izao fotoana izao fa nanjavona rehefa nanjono tamin’ny ranomasina. Tany amin’ny distrikan’i Nosy-Be Hell-Ville no nisehoan’izany ny 6 jona lasa teo, tamin’ny 8ora sy sasany maraina, tany anelanelan’Ambatoloaka sy Anositanikely. Telo izy ireo no niaraka nanjono tamin’io fotoana io ka gasy ny iray. Rehefa nilomano tao anaty ranomasina ny vazaha iray dia voan’ny “crampe” dia niakatra teo ambony vedety. Nony kelikely anefa dia mbola niverina fanindroany tao anaty rano izy ary tsy tafaverina intsony. Vokany, tsy hita popoka hatramin’izao ilay vazaha. Mitohy ny fikarohana azy.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







