Kaominina misavoritaka
Tsy fantatra intsony hoe inona marina no tena zava-mitranga ao anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra ao fa toa ady saritaka mandavan-taona tsy mety ahitam-bahaolana. Iaraha-mahita hatrany am-boalohany fa mizara roa mazava ireo mpanolo-tsaina. Misy ireo maro an’isa izay avy amin’ny antokon’ny ben’ny tanàna ; misy kosa ireo avy amin’ny antoko hafa, izay vitsy an’isa nefa tsy mety manaiky lembenana. Na ny fomba fitantanana ny tanàna aza dia tsy mampitovy hevitra azy ireo ary anisan’izany ny tetibola sy ny rafitra mifehy ny fizaram-pahefana ao anatiny. Tsy maintsy miafara amin’ny fifamaliana an-gazety hatrany izay fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny tanànan’Antananarivo hatramin’ny nandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny fitantanana. Anisan’izany, ohatra, ny fomba nametrahana ireo tale sy sampan-draharaha samihafa izay voalaza fa tsy manaja ny lojika. Teo ihany koa ny fikasana hindram-bola entina hanatanterahana tetikasa.
Ankoatra ireo filan-kevitra monisipaly izay tsy miara-dia amin’ny ben’ny tanàna dia manana olana goavana ihany koa ireo mpiasa tsotra. Anisan’ireny ireo mpiasa an-tselika an-jatony noroahina noho ny fandaminana ny toe-bola. Gaga ihany anefa ny rehetra satria efa mananika an-jatony ihany koa ireo mpiasa vaovao noraisina. Izany hoe lasa fizaran-tseza ho an’ny havana aman-tsakaiza, miampy ny zanak’anabavy sy ireo olom-pantatra tsy haninon-tsy haninona ary tsy nahita asa tany an-kafa ny ao amin’ny kaominina. Ny tena mahagaga ny maro dia olona tsy monina eto an-drenivohitra akory ny ankamaroan’ireo mpiasa vao nampidirina ao amin’ny lapan’ny tanàna. Misy fanavakavahana ihany raha izany. Raha raisina, ohatra, ny mahazo ireo vahoaka madinika toy ny mpivarotra amoron-dalana, ezahina roahina izay tsy avy eto amin’ny kaominina.
Izao indray dia mitady hikomy ireo polisy monisipaly manoloana ny tsy vitovian-kevitra amin’ny fanomezana ny fitantanana ny toeram-piantsonan’ny fiara ho an’ny orinasa tsy miankina. Ireo rehetra ireo dia toa mampiseho fa tsy misy ny firaisankina sy ny fifampitokisana eo anivon’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Tsy mahagaga, araka izany raha toa ka tsy mandeha amin’izay laoniny ny asa fampandrosoana. Variana miady an-trano ireo izay nantenaina hanompo ny vahoaka satria na tiana na tsy tiana dia volam-bahoaka no hamelomana ireo mpiasan’ny kaominina rehetra miainga any amin’ny ambany grady indrindra ka hatrany amin’izay mihevitra azy ho ambony indrindra. Fahefana avy amin’ny vahoaka ihany koa no hahafahan’izy ireo maka fanapahan-kevitra izay tokony hifantoka tanteraka amin’ny fanatsarana ny tanàna sy ny fampandrosoana ny fiainam-bahoaka.
Toy ny fitondram-panjakana mijoro dia misedra olana ara-pifandraisana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tafiditra lalina ao rahateo nandrindra ny taona maro sy ny mpitondra nifandimby ny hery politika samihafa ka lasa mifamingana sy mifaninana ary mifandramatra. Nahazo fahefana ary mahery fiteny sy tsy refesi-mandidy ireo mpitantana vaovao nefa efa lalim-paka tsy azo hozongozonina ihany koa ireo mpiasa izay efa tao amin’ny kaominina an-taonany maro. Tsy mahagaga raha misy ireo sahy mijoro mandà sy manohitra ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitantana. Izany rehetra izany anefa dia mitohy any amin’ny fitakiana sy ny fitokonana ary misy fiantraikany ratsy amin’ny fiainam-bahoaka sy ny asa fampandrosoana ny tanàna.
Ireo mpiasa sasany manam-pahaizana sy be traikefa dia misy mihitsy ireo niala avy hatrany tao amin’ny kaominina satria tsy nahatanty ny didy jadona sy ny fisehosehoana ataon’ireo ekipa vaovao.
Izany rehetra izany no mahatonga ny disadisa anatiny izay mikiky ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo renivohitra ka mahatonga ny ben’ny tanàna sy ny ekipany tsy mahavita ny asa fampandrosoana nampanantenainy. Mila mifandamina sy manova fomba fiasa sy fomba fitondran-tena ary fitondrana olona izy ireo satria mila fitoniana ihany koa ny asa fampandrosoana ifotony.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







