Antanamakoa Toamasina – Miverina amin’ny heriny ireo mpanendaka
Raha nangingina ny resaka fanendahana tany amin’ny fokontany Antanamakoa, any Toamasina, volana vitsy lasa izay dia fantatra fa miverina amin’ny heriny indray izy ireo ankehitriny. Miaina ao anaty horohoro tanteraka ireo olona monina amin’izany toerana izany sy ireo mpandalo fa tena mandravarava tokoa ireo olon-dratsy. Araka ny tatitra voaray, ireo tratra alina no tena lasibatra ary manakaiky ny vodi-manga amin’ny lalana aorian’ny fiangonana Jesosy Mamonjy izy ireo no misitrika, rehefa mahatsikaritra olona. Telo lahy izy ireo ka ny iray milanja hazo misy fantsika (bois rond) fa ny ambiny kosa, boriziny sy antsy lavalela. Mponina iray tratra alina no saika niharan’izany ny alin’ny alarobia, tamin’ny 10ora sy sasany. Tafatsoaka ny tenany ny alin’io ka niala maina ireo jiolahy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







