Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Fahasalamana – Fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa Psi sy ny oniversite Antananarivo

Vita sonia omaly, ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny oniversite Antananarivo sy ny Psi Madagascar, teo amin’ny profesora Ramanoelina Panja sy Pierre-Loup Lesage, mpisolon-tena maharitra eto an-toerana avy amin’ny Psi. Fifanaraham-piaraha-miasa ho fampiroborobona ny fahasalamana ara-pananahan’ny tanora ka tafiditra amin’izany ny vohoka tsy iriana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana mba hialana amin’ny fanambadiana aloha loatra. Ao ny ady atao amin’ny aretina mifindra, izay azo avy amin’ny firaisana ara-nofo fa indrindra ny tsimokaretina Vih Sida. Ho fiarovana sy fitaizana ireo mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo mba hanatsarana hatrany ny fahaizan’izy ireo. Efa nisy hatrany ny fizaham-pahasalamana, araka ny filazan’ny profesora Ramanoelina Panja, fa ho fanamafisana izany kokoa izao fiaraha-miasa amin’ny Psi Madagascar izao. Nitombo isa ny mpianatra eny amin’ny oniversite Antananarivo tamin’ity taona 2015-2016 ary nahatratra 32 000 mahery izany izay tena lasibatra tokoa noho ny fidiran’izy ireo amin’ny firaisana ara-nofo. Tetikasa andrana haharitra herintaona, azo havaozina ny fifanaraham-piaraha-miasa ary sekoly ambony dimy no hanaovana ny fanentanana dia ny oniversite Ambohitsaina, oniversite Vontovorona, Ens Ampefiloha, oniversite Soavinandriana any Itasy ary oniversite Antsirabe ao Vakinakaratra.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre