Nangalatra barika – Niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay tovolahy
Tovolahy iray tokony ho 30 taona eo ho eo indray no niharan’ny hatezeran’ny fokonolona. Tratra nangalatra barika vao maraina, teny Ambohimiandra ranamana ka tsy namelan’ny mponina mihitsy raha tsy tapaka hatramin’ny tanany, ankoatra ny daroka sy totohondry nahazo azy mba tsy ho afaka haka izay tsy azy intsony. Ny marainan’ny talata teo no nisehoan’izany, tamin’ny 5ora sy sasany. Manjaka tanteraka ny hala-botry eny amin’iny toerana iny sy ny manodidina araka ny vaovao voaray. Mila ho isan’andro no misy tokantrano very zavatra. Amin’ny fotoana andehanan’ny olona miantsena matetika no voalaza fa isehon’ny halatra ka tsy ametrametrahana entana eo an-tokontany. Leo sy tofoka izany tranga izany ireo mponina eny Ambohimiandra ka nampihatra ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ho fanafaizana ireo mbola hikasa ny hanao izany. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay olon-dratsy.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







