Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Rn5 – 4×4 latsaka tao anaty rano, maty ny mpamily

Ny andron’ny alarobia 8 jona, nisy lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny lalam-pirenena Rn5. Fiara 4×4 iray no lasa tany anaty rano, tany amin’ny toerana atao hoe Sandrakatsy, distrikan’i Mananara Avaratra. Ratsy ny lalana ary mbola nanampy trotraka ny hamamoanan’ilay mpamily, araka ny vaovao voangona. Tsy nahatana familiana, noho izany ity farany ka nivarina tany an-kady ka hatrany anaty rano mirefy 67 metatra miala ny lalana ny fiara. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpamily noho ny dona mafy nahazo azy. Araka ny hita amin’izao sary izao, mafy ny loza ary lalina ny rano ka sahirana tanteraka ireo mpamonjy voina nanavotra azy sy nampiakatra ilay fiara tao anaty rano. Marihina ihany anefa fa efa nampitaraina ny maro ny faharatsian’ity lalana ity. Miteraka loza maro, izay miafara amin’ny fahafatesana ain’olona anefa tsy mbola misy fanamboarana ihany hatramin’izao. Fantatra hatrany mantsy fa tsy vao izao fa efa betsaka ireo fiara no latsaka tao amin’ity renirano ity noho izay faharatsian-dalana izay hatrany.

Laurena Nany 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre