Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Koperativa Fifiabe – Tompon-daka amin’ny lozam-pifamoivoizana

Vaky vava mihitsy ny olona, indrindra ireo mpampiasa ny zotra D ao anatin’ny koperativa Fifiabe mampitohy  ny renivohitra sy Ambohidratrimo noho ny tsy fitandremana ataon’izy ireo. Omaly maraina, tamin’ny 10ora tany ho any, taksibe iray ao amin’izany koperativa izany indray no namoa-doza, noho ny fifanenjehana teo amin’ izy ireo. Tsy mahay mandray lesona sy tsy mety fay tamin’ny zava-nisy fa voa mainka aza manao ny ataony. Tsy misy dikany amin’ireo mpamily sasany ny loza nahafatesena ain’olona maro hatramin’ny ankizy kely ny faraparan’ny volana aprily iny. Rano nararaka an-damosin’ny gana ireo fiofanana natolotra maimaim-poana tao anatin’ny 10 andro ireny. Nirimorimo mafy ilay taksibe, izay maika hanenjika ny namany eo aloha ka nandona fiara marika 205 izay fianarana mamily fiara, teny Talatamaty. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy fa nisy kosa ireo  naratra.  Nahitana fahasimbana kely ihany koa ireo fiara roa. Nanao ny fizahana teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary nisintona ny fahazoan-dalana mamilin’ilay saofera namoa-doza.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre