Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Samy manana ny asa fanakorontanana !

Toy ny efa mahazatra, saika ho isam-bolana izao dia mamerina amin’ny fomba ofisialy indray ny mpitandro filaminana fa misy olona mikasa hanao asa fanakorontanana ny fiatrehana ny fetim-pirenena amin’ity volana jona ity. Tsy nisy toromarika mazava kosa anefa hoe iza ireo heverina ho olon-dratsy mitady hisompatra ny fetim-pirenena ireo fa dia hoe : « misy » fosiny ary efa mandray andraikitra ny mpitandro filaminana hanakanana izany. Raha tena mitombina tokoa ny filazan’ny mpitandro filaminana dia tena efa zava-doza no mitranga eto Madagasikara satria lasa hifamono an-toerana noho ny antony tsy mazava. Any ivelany mantsy ny asa fampihorohoroana matetika dia avy amin’ny tsy fitovian-kevitra ara-pivavahana, na ihany koa ataon’ireo andian-jiolahy mafy orina izay mikatsaka ny hampiseho ny heriny manoloana ny fitondram-panjakana mijoro. Eto amintsika toa tsy fantatra mazava hoe iza no mikasa hampihorohoro ary inona no tena tanjona tian’izy ireo hokatsahina. Hatreto, ihany koa, dia tsy mbola nisy olona na antokon’olona nilaza fa mankahala ny vahoaka malagasy. Mifanohitra amin’izay aza ny zava-misy satria ireo rehetra mahazo fitenenana sy manao fanambarana na manao fihetsiketsehana dia saika milaza avokoa fa miaro ny tombontsoan’ny vahoaka madinika sy ny malagasy maro an’isa. Mazava anefa ny tanjona amin’izany fa ny hamonoana sy hampijaliana ny vahoaka mba hampitana hafatra amin’ny mpitondra. Tena efa nisy tokoa tamin’ny alalan’ireny fanapoahana baomba nandritra ny andron’ny tetezamita ireny, ary nitohy tamin’ny fiandohan’ity Repoblika fahefatra ity saingy tsy hita mazava izay tena vokatry ny fanadihadiana sy fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana hatreto.

Saika nifantoka betsaka tamin’ny ahiahy fotsiny ny fototra niorenan’ny fanenjehana sy fisamborana ary fanagadrana olona. Nivoaka sy afaka madiodio ny ankamaroan’ireo rehetra voarohirohy avy eo. Ireo mety ho atidoha nikotrika ny teti-dratsy hamotehana ny firenena sy ny mpiara-belona kosa toa tsy nisy voakitikitika sy voarohirohy. Tsy mahagaga raha lasa mihevitra ny ankamaroan’ny vahoaka hoe manao « sinema » indray ny Fanjakana. Vao misy tatitra ataon’ny mpitandro filaminana fa misy olona mikasa hanakorontana sy hampihorohoro dia efa mihomehy ny isan-tokantrano hoe : « izay indray ». Na eo aza anefa ny tsy fifampitokisana amin’ny vahoaka sy ny mpitondra dia mila henoina sy raisina ho tena izy hatrany ireny hafatry ny mpitandro filaminana ireny satria Ramalina aza mifehy hazo tokana ary ny mahery tsy maody tsy ela velona.

Na inona na inona filaza dia mbola ireo mpitandro filaminana ireo ihany aloha no azo antoka indrindra fa afaka hiaro ny vahoaka manoloana izay mety hiteraka korontana eto amin’ny firenena. Tsy hahavita hiady sy hanohitra olon-dratsy mitam-basy sy mpanapoaka baomba ary mpampihorohoro amin’ny endriny rehetra mihitsy ny vahoaka tsotra. Na ny asan-jiolahy mitam-piadiana sy ny mpanendaka fotsiny aza dia efa azo sokajiana ho fanakorontanana rehefa mateti-piavy. Tompon’andraikitra amin’ny fiarovana rahateo ny mpitandro filaminana ary izy ireo ihany no nilaza fa hanao izy rehetra azo atao hisorohana ny mety hisian’ny fanakorontanana. Fotoana izao hanaporofoan’ny polisy sy zandary ary miaramila fa tena tandroka aron’ny vozona tokoa izy ireo ary natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Ny vahoaka ihany koa mila mandray andraikitra sy mitandrina mba hampihenana ny loza amin’izao fety izao. Anisan’ny fomba tsotra hiarovan-tena ny fanarahana ny toromarika rehetra omen’ny tompon’andraikitra toy ny tsy fisotroana toaka rehefa mamily, ny tsy fandehanana mafy rehefa mitondra fiara, ny tsy fanapoahana tsipoapoaka, ny tsy fandehanana amin’ny toerana mety hampidi-doza, sns… Fomba fiteny ny fanakorontanana sy ny fampihorohoroana fa maro ny loza tsy ampoizina mety hampitondra takaitra vanim-potoana ankatoky ny fety toy izao na dia mijanona ao an-trano aza.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre