Andranomena – Pasiteran’ny sekta, maty voafaokan’ny fiara
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana ain’olona teny Andranomena, omaly maraina. Mpitondra fivavahana amina fiangonana zandriny iray eto an-drenivohitra no namoy ny ainy, tokony ho tamin’ny 5ora tany ho any. Vao niala taksibe mihitsy ny tenany no niseho ny loza. Araka ny vaovao voaray, hamonjy fotoana aman’olona vao maraina izy ary nanaraka ny sisin’arabe no nofaohan’ny fiara kely izay nirimorimo fatratra. Tsy afa-niala ingahy pasitera ka nipitika lavitra be ary nitontona tamin’ny tany. Ny lohany sy ny tratrany no tena voa mafy ka na niezaka nitondra azy tany amin’ny hopitaly aza ireo nanatri-maso ny loza dia tsy avotra intsony ny ainy, fotoana fohy nahatongavany teny. Hatramin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity dia mbola miandry ny fianakaviany eny amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny razana. Ilay mpamily nahavanon-doza kosa notazomina ao amin’ny kaomisaria eny Tsaralalana atao famotorana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







