Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Andro maneran-tany iadiana amin’ny « Drépanocytose » – Aseho amin’ny tantara an-tsehatra

Androany 11 jona ny fankalazana ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny aretina “Drépanocytose” izay karakarain’ny fikambanana tsy miankina Lcdm Solimad. Tantara an-tsehatra mitondra ny lohateny hoe “Sombin’ny aiko” no entina mankalaza izany izay tantara miainga amin’ny fijoroana vavolombelona samihafa iainan’ireo marary sy ny fianakaviana ary ny mpitsabo, eny amin’ny Ekar Antanimena. Havadika (DVD) amin’ny teny Malagasy kosa izany avy eo ary hasiana lohateny amin’ny teny frantsay, hoentina hanentanana sy hanaovana  fitakiana ary fivondronana maneran-tany amin’ny zava-miseho eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fitsaboana ny “Drépanocytose”.

Haparitaka maneran-tany io hetsika io, indrindra ny tantara an-tsehatra “Sombin’ny aiko”. Lazaina hatramin’izay mantsy fa 11 % ny olona manaranaka “drépanocytose” ary 2% marary nefa maherin’izay no azony manerana ny Nosy. Ary mahatratra 1 tapitrisa ariary no lany raha misy krizy tsy mahery vaika”, hoy i Pascale Jeannot, filohan’ny Lcdm Solimad.

Aretina fanaintainana ny drépanocytose ary toe-batana izy io saingy azo sorohina sy tsaboina tsara. Ilaina noho izany ny manao fitiliana mialoha na manaraka na marary ny olona iray. Tsy maintsy misotro rano, voaraka ny fahasalamana, tsy misy zavatra fadian’ny olona voan’io aretina io. Anisan’ny aretina laharam-pahamehana eto amin’ny Nosy ny drépanocytose mba hahafahana mamaha ny olana.

Fantatra fa efa nisy ny fitakiana nentin’ny fikambanana teny amin’ny Antenimieram-pirenena mba hahafahana manao volavolan-dalàna handraisana an-tanana ireo marary fa tsy nahitam-bokany izany. Araka ny filazan’ny filohan’ny fikambanana Lcdm Solimad hatrany anefa dia tsy ireo marary ny drépanocytose ihany no hahazo tombony amin’io volavolan-dalàna io.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre