Andron’ny siantifika – Fampirisihina ny mpianatra hifidy ny taranja
Tontosa omaly, teny amin’ny lisea Jean Joseph Rabearivelo ny andron’ny Siantifika, izay novatsian’ny Educmad fitaovana ary nampian’ny Unesco noho izy mifandraika amin’ny tanjona sy fandaharan’asany. Efa volana maro no nanomanana azy satria sekoly miisa 92 manerana ny faritany 5 no nanaovana azy : Toamasina, Antsiranana, Fianarantsoa, Mahajanga ary Antananarivo. Hetsika namaritana ny zavatra atao isaka ny taranja siantifika mba hisarihana ireo mpianatra hisafidy izany taranja izany satria mbola 20 % ny mpianatra amin’ny lisea ihany no misafidy azy. Nisy noho izany, omaly ny fampirantiana nataon’ireo tanora mivoy izany taranja izany tamin’ny alalan’ny fanaovana andrana izay novolavolain’ny mpampianatra.
Ankoatra ny andron’ny siantifika dia nanamarika izany hetsika izany ny “médiathèque électronique” izay efa mipetraka amin’ny solosainan’ireo sekoly fampianarana iarahan’ny Educmad miasa mba hahafahan’ireo mpianatra mampiana-tena ary mba hipetraka kokoa ny fahalalana. Nanampy ity hetsika ity ny Unesco noho izy rantsa-mangaika, izay mpiara-miasa amin’ny fanabeazam-pirenena. Tsy izay ihany fa noho ireo fanehoana mivantana atao amin’ny fampianarana sy asa ateraky ny siansa, araka ny fanambaran-dRaboanary Hanta Nirina, vaomieram-pirenena miara-miasa amin’ny Unesco.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







