Fianarantsoa – Toaka gasy 400 litatra nafenina tanaty ala
Naharay vaovao ny polisy any amin’ny distrikan’i Fianarantsoa mahakasika ireo andian’olona mikasa hanaparitaka toaka gasy, any Alakamisin’Ambohimaha. Araka ny vaovao voarain’ny mpitandro filaminana, misy kamiao iray mitondra toaka gasy 400 litatra, izay kasaina hampiakarina aty an-drenivohitra. Nisy ny vela-pandrika natao ka fiara iray isan’ny mampiahiahy no tratran’ny fisavana ary toaka gasy 10 litatra ihany no tratra tao. Nosamborina ny mpamily ary nanaovana fanadihadiana ka nibaradaka avy hatrany. Nilaza ity farany fa maro be ireo toaka noentiny saingy nafeniny any anaty ala vao nahatazana ny mpitandro filaminana izy. Nidina tany amin’ny toerana voatondro fa nanafenana ireo zava-mahadomelina ireo manam-pahefahana ka io tokoa fa misy toaka efa ho 400 litatra tao anaty ala.
Ankoatra ny mpamily dia olona roa hafa ihany koa no voasambotra izay isan’ny tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Hiakatra fitsarana tsy ho ela ny raharaha. Ireo toaka voarara kosa tsy maintsy nodorana tamin’ny fotoana nahatratrarana azy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







