Maintirano – Dahalo iray maty voatifitra
Valan’omby manan-tompo iray indray no lasibatr’ireo dahalo mitam-basy, tany amin’ny distrikan’i Maintirano. Dahalo efatra nitondra basy nanafika vehivavy iray, tany amin’ny fokontany Antigoza, kaominina Antsahibao, ny fiandohan’ny volana jona teo. Nirefodrefotra ny feom-basy vantany vao tafatsofoka tao amin’ny tokontanin’ilay olona voatafika ireo olon-dratsy ka lasa tamin’izany ny omby 22 isa tao am-bala. Nisy ny fanarahan-dia rehefa nivoaka ny tanàna ireo mpanafika. Tany amin’ny toerana atao hoe Andriabe no tratran’ny fokonolona izy ireo. Teo am-pandroahana mihitsy izy ireo no tsikaritry ny mpanara-dia izay tsy nampoizin’ireo malaso mihitsy. Efa basy nipoaka nahalavo ny iray tamin’izy ireo vao taitra ireo dahalo ka vaky nandositra ny telo ambiny sady namela ireo omby rehetra teo an-toerana. Sarona niaraka tamin’ireo biby ny finday iray, karine pasipaoro roa ary karapanondrom-pirenena roa. Taorian’ny fanarahan-dia vao nampandre ny mpitandro filaminana ireo fokonolona. Efa mandeha ny famotorana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







