Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Mahazo aina ny mpitondra !

Mitsimbadimbadika ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena ary hita fa izay fetsy sy be traikefa ary manana lazon’ady ihany no mahazo tombony manoloana ny fifanenjehana sy ny fifaminganana eo amin’ireo hery politika samihafa. Tapa-bolana lasa izay dia tena tao anatin’ny tanjaka tanteraka ny mpanohitra ary tena natahorana ny fiandohan’ny fidobohan’ny fitondram-panjakana nijoro. Nahay nanakambana hery sy nampiseho ny firaisankina mantsy ireo mpanao fitakiana tamin’ny alalan’ny fitokonana tetsy sy teroa ary ihany koa ny fanambarana maro samihafa nitaky ny fialan’ny mpitondra Fanjakana. Nivadika anefa ny rasa tamin’iny herinandro lasa iny satria nahazo aina ny mpitondra tamin’ny alalan’ny fahombiazan’ny stratejia napetrany hiatrehana ny zava-miseho. Voalohany aloha dia tsy nisalasala nampiasa ny hery famoretana sy ny fandemen-tsaina tamin’ny alalan’ny fandefasana mpitandro filaminana hanao fisavana tranon’olona ary ihany koa famoahana didy fampisamborana. Tsy ny Senatera izay sady kolonely Lilyson de Réne irery ihany no ifampitadiavana amin’izao fotoana izao fa misy olon-kafa izay sokajian’ny polisy ho jiolahy ihany koa. Manoloana izany zava-misy izany dia toa maty lolo sy matahotra ny ankamaroan’ireo mpanao fitakiana na dia miezaka ny manafina aza. Ny Afo sendikaly izay efa nandrangaranga nanomboka tamin’ny 1 mey teny amin’ny kianjan’Alarobia fa mitaky ny fialan’ny mpitondra izao dia efa nanova fomba fiteny ary milaza indray fa miantso ny Fanjakana hiara-hientana hanafoana ny kolikoly. Efa midika ho fahavononana hidinika an-databatra izany fomba firesaka izany.

Ireo tena mpanao politika izay tsy mankasitraka izao fitondrana izao ihany koa dia karazan’ny manomboka mamilivily resaka fa tsy sahy manohy ny vavabe sy ny fanakianana mivaivay toy ny mahazatra. Iaraha-mahita izao ny fihetsiky ny antoko Tim izay tarihin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay mody manangan’ady amin’ny minisitra iray sy roa fa tsy sahy mitandroka mivantana ny mpitondra Fanjakana amin’ny ankapobeny. Hita fa somary matahotra ihany ny Tim na dia tsy manafina ny fahadisoam-panantenany amin’izao fitondrana mijoro izao aza. Eo ihany koa ny Mapar sy ny Armada izay azo lazaina fa manana ny fahafahana hitarika olona tsy hanaiky izay heveriny fa tsy mety amin’ny fitantanana ny firenena nefa tsy sahy manao izany.

Ireo solombavam-bahoaka izay tena havanana tamin’ny tsikera dia toa nangingina tsy re feo firy hatramin’ny nisokafan’ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny parlemanta tamin’ity taona ity. Ny Loholona moa izay efa olon’ny fitondrana rahateo ny 90% mahery dia mazava ho azy fa tsy hanao hetsika mety hanohintohinana ny fahamarinan-toerana ara-politikan’ny mpitondra mihitsy.

Manoloana ireo rehetra  ireo dia mahazo aina ny mpitondra Fanjakana izay nahita vokatra rahateo tato ho ato. Na tsy mbola nivoaka aza ny volabe nampanantenain’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (Fmi) dia efa karazan’ny azo lazaina fa fahombiazana sy asa mivaingana vitan’ny mpitondra ihany ny fandresen-dahatra ireo delegasiona nandalo teto. Nilaza rahateo ireo iraky ny Fmi fa nahita fanatsarana sy vokatra misongadina, tamin’ny asa fampandrosoana nataon’ity fitondrana ity. Io ihany koa fa efa mananontanona any ambadika any ny mety hahatafavoaka ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar ao anatin’ny lisitra B izay tsy mahazo misidina any amin’ny faritry ny habakabak’i Eropa. Raha mahavita manala ny Air Madagascar ao anatin’ny lisitra B mantsy ity fitondrana ity dia hitolefika ho azy ry Rado Rabarilala sy ny tariny izay efa manomboka manao fitaovana politika ny olana anatin’ity orinasa ity mba handrodanana ny mpitondra.  Tamin’iny herinandro iny ihany koa dia niezaka nampiseho mafy ny fitondram-panjakana fa miasa sy midina an-tsehatra mihitsy na eto an-toerana na any ivelany fa tsy mijanona anaty birao fotsiny.

Raha fintinina dia tsy nahovoka ny mpitondra ny mpanohitra tamin’iny herinandro iny. Tsy azo adinoina anefa fa kodiaran-tsarety ny fiainana ary miovaova araka ny zava-misy koa ny tsirairay. Inona indray izany no hitranga amin’ity herinandro ity? Baraingo ny valiny. Lasa toy ny tantara mampangitakitaka sisa no andraisan’ny vahoaka ny raharaham-pirenena.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre