Amboanjobe – Kodiaran-droa nifandona, tovolahy iray tapa-tongotra
Nahery vaika ny loza nateraky ny kodiaran-droa, ny sabotsy maraina lasa teo, tany amin’ny lalam-pirenena Rn7. Môtô roa samy nandeha mafy no nifandona, rehefa tonga teny Amboanjobe, fokontany Anjomakely, kaominina Bongatsara. Araka ny vaovao voaray, nivoaka ny lalan-kely avy any Amboanjobe ny môtô iray marika Kim royale no nifatratra avy hatrany tamin’ny môtô faharoa marika Ktm. Mafy ny fifandonana ka samy nipitika ireo tovolahy roa namily izany. Ny iray 15 taona nitondra ilay Kim royale tapaka ny tongony, raha toa ka nahitana ratra kely fotsiny teo amin’ny tanan’ilay faharoa izay 28 taona. Potika avokoa ny môtô noenti’izy roalahy ireo. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Hjra ilay tapa-tongotra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







