Lozam-pifamoivoizana – Mpandeha 14 naratra noho ny fandehanana mafy
Mpandeha miisa 14 naratra ka ny fito no tena voa mafy. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga, teny amin’ny lalam-pirenena Rn1, ny alakamisy lasa teo, tamin’ny 7ora sy sasany maraina. Fiara marika Mercedes Sprinter avy aty an-drenivohitra hihazo an’i Tsiroanomandidy no nifandona tamin’ny fiara iray hafa marika Mercedes Benz, tany Ambatolampikely, fokontany Manakasina. Ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandremana ataon’ireo mpamily fiarakodia no voalaza fa nahatonga ny loza. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny Hjra avokoa ireo naratra mafy ary notsaboina any amin’ny hopitalin’ny Miarinarivo ny ambiny.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







