Antsohihy – Omby 35 isa lasan’ny dahalo
Nisehoana fanafihan-dahalo mitam-basy indray tany amin’ny distrikan’Antsohihy. Omby 35 isa an’olona roa tany amin’ny fokontany Antsalova, kaominina Antsahabe no lasibatra ny alin’ny 10 jona, tamin’ny 10ora tany ho any. Dahalo 3 lahy nitondra basim-borona iray no nangalatra omby miisa 5, tany amin’ny toerana antsoina hoe Ambenjana. Vao nampandrenesina ny zava-misy ny mpitandro filaminana dia nanao fahirano avy hatrany ny kizo fieren’ireo dahalo. Teo am-panaovana izany indrindra izy ireo no naharay antso indray fa lasibatry ny mpangalatra ihany koa ny omby 30 isa tany Andongozo, fokontany Antanambao, kaominina Anjalazala. Raikitra ny fanarahan-dia avy eo niaraka tamin’ny fokonolona tany Antanantsara ka nifanehitra tany Antanambola, fokontany Antanalabe, kaominina Tsimilao, distrikan’i Befandriana avaratra ny roa tonta ny ampitson’io. Nisy fifandonana teo amin’ny mpanara-dia sy ireo olon-dratsy ka nilavo lefona ireto farany namela ireo omby 30 ireo teo an-toerana. Mbola tsy hita kosa ny omby 5 very teo aloha. Mitohy ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







