CNaPS- Dinec – Tsy diso anjara ny Didec Miarinarivo
Ny maha izy azy ny sekoly katolika manoloana ny zo sy ny lalàna ara-tsosialy. Nifantoka tamin’izany ny sekoly katolika ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana katolika Miarinarivo, any Itasy. Mahatratra 1 100 mantsy ireo mpampianatra ahiany, izay manabe mpianatra 35 000 manerana ireo sekoly 274 ahitana ambaratonga I, ambaratonga II ary ambaratonga III. Ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) no nanofana sy nikaon-doha niaraka tamin’ireo « inspecteurs des écoles » sy ny talen-tsekoly katolika 65 mianadahy. Tao amin ‘ny lycée katolika Monseigneur Ramarosandratana Antanambao Miarinarivo Itasy no nanatanterahana ny loabary an-dasy izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny DINEC (Direction Nationale de l’Education Catholique) sy ny Didec (Direction Diocésaine de l’Education Catholique) ary ny CNaPS. Tanjona ny hisitrahan’ny mpampianatra ny zo sy ny fiahiana ara-tsosialy araka ny lalàna mifehy ny asa ; ary koa mba ho ara-dalàna ny sekoly amin’ny fitantanana ny mpiasany.
Voakilasy ao anatin’ny mpiasa mpikarama mahazo fiahiana ara-tsosialy amin’ny CNaPS mantsy ireo mpampianatra sy mpanabe amin’ny sekoly tsy miankina rehetra ireo. Nanomboka ny talata 07 jona lasa teo ary nifarana tamin’ny zoma 10 jona ny filan-kevitry ny talen-tsekoly. Nisongadina tamin’izany ilay latsakemboka 8% arotsaky ny mpampiasa ho an’ny mpampianatra ho an’ny sehatry ny fampianarana rehetra ary 1% monja kosa no miala amin’ny karaman’ireo mpampianatra isam-bolana. Araka ny andininy faha- 03 ao anatin’ny Satan’ny Asa (Code de travail) dia « adidin’ny mpampiasa ny manome sosialy ny mpiasa amin’ny alalan’ny fandrotsahany ny latsakemboka ao amin’ny CNaPS ». Isaka ny telovolana kosa no fanaovan’ny mpampiasa ny fanambarana filazan-karama.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







