Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Variana nandihy – Nanjavona ny vola 10 tapitrisa ariary

Trano fivarotana iray no nidiran’ny olona antsokosoko, ny alin’ny alakamisy lasa teo, tany amin’ny kaominina Vinanivao, distrikan’Antalaha. Nisy alim-pandihizana tany an-toerana tamin’io alina io. Notaomin’ireo namany hamonjy izany ity ramatoa tompon-trano ka roboka tokoa ary dia lasa. Tamin’ny fotoana nandehanany tany anefa dia nisy namaky ny tranony ka lasa avokoa ny vola mitentina maherin’ny 10 tapitrisa ariary, ny entam-barotra mitentina 5 tapitrisa ary ireo entana tao an-tokantrano, toy ny vilia, sotro ary akanjo.

Hatairana ny azy nahita ny varavarana midanadana rehefa namonjy fodiana vao maraina. Rehefa nojerena tao anatiny dia nasaritak’ireo mpangalatra ambony ambany ny tao an-trano. Ranomaso sy kiakiaka no nataony ka vetivety dia vory ny manodidina nijery ny zava-nisy. Tao ireo nalahelo fa tao kosa ireo naneso nanao hoe « Izao ny vokatry ny fitiavana alim-pandihizina. Variana nandihy tany, izao ny vola sy ny fananana nanjavona daholo. » Tsy fantatra kosa ireo nahavanon-doza fa ahiana ho olona mahafantatra azy ihany ka nahalala ny tsy naha tao azy tamin’io fotoana io. Nametraka fitoriana eny amin’ny mpitandro filaminana ny tenany ary misokatra ny fanadihadiana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre