Tontolo iainana – Hazo sarobidy 120 isa sarona tany Didy
Mitohy ny ezaka ataon’ireo Vondron’olona ifotony (Voi) any amin’ny kaominina Didy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Hazo voamboana miisa 120 no saron’ny avy ao amin’ny Foibem-paritry ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ala ary ny ekolojia sy ny Voi ny herinandro lasa teo. Tsy fantatra kosa ny tompon’ireto hazo sarobidy ireto fa efa notazomina ao amin’ny foibem-paritry ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ekolojia ary ny ala ireo hazo tsy ara-dalàna ireo. Inoana fa hitohy ny fanadihadiana rehetra mba hahitana ireo rangory fototry ny afo mpambotry ny firenena amin’ny fanapotehana ireo ala ireo. Araka ny filazan’ireo fokonolona any an-toerana kosa dia sarotra ny fisamborana ireo mpanondrana antsokosoko ny harem-pirenena satria efa misy tetikady amin’ny famoahana ireo hazo sarobidy mivoaka ao Didy izy ireo. Tsy ho sakana ho azy ireo anefa izany fa hijery akaiky ny raharaha ny Voi. Mitohy ny fanadihadiana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







