Fenoarivo-Atsinanana – Nahazo efitrano fiterahana ny Hopitaly kely
Ho fanakaikaizan’ny vahoaka ny toeram-piterahana dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 10 jona lasa teo, ny Hopitaly kely any Mahavelonkely, distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana. Marihina fa efa ela no nisian’ity Hopitaly kely tany an-toerana ity ary mandray anjara mavitrika amin’ny fikarakarana reny sy ny zaza saingy tsy misy efitrano fiterahana. Izay antony izay no nananganana efitrano fiterahana ho fampiharana ny politikan’ny ministeran’ny Fahalasaman-bahoaka, noho ny fahatsapana fa mbola maro amin’ireo vehivavy bevohoka no tsy manantona toeram-piterahana. Amin’izao fahazoan’ny mponina Mahavelonkely efitrano fiterahana izao dia entanina ny vahoaka ary indrindra ireo vehivavy mitoe-jaza mba hanantona ny hopitaly hatrany mandritra ny fotoana rehetra hitondrana vohoka sy hiterahana mba hanamorana sy hampizotra ny fiterahana araka ny tokony ho izy.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







