Nandiso fanantenana
Nandiso fanantenana tanteraka ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny fihetsik’ireo Loholona izay nandany tao anatin’ny fotoana fohy ny lalàna mifehy ny fifandraisana izay efa nampahafantarina azy ireo fa misy fandrika goavana manohintohina ny fahalalahan’ny fampahalalam-baovao eto amintsika. Tsy noesorin’ireo senatera ilay andininy faha-20 izay mamaritra mazava ny fahafahana mampigadra mpanao gazety nohon’ny vaovao navoakany. Nandiso fanantenana satria noheverina ho hitsikitsika hivavahana ireo loholona ary nantenaina ho raiamandreny mpitarika efa mahafantatra tsara ny zava-misy maneran-tany mikasika ny mahazava-dehibe ny fahalalahan’ny fampahalalam-baovao nefa indrisy fa toa tsy azo nianteherana. Tsy noraharahian’ireo senatera ny fidodododon’ny mpanao gazety nanatona azy ireo sy nitondra fanazavana ary nanatitra antontan-taratasy mba hanesorana ilay andininy fanagadrana.
Ny loholona mantsy sisa no noheverina ho aro riaka farany tena afaka mandinika sy mamakafaka ho an’ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny eto amin’ny firenena. Tsiahivina fa nisy fitaka io lalàna mifehy ny serasera sy fifandraisana io satria nasian’ny fitondram-panjakana fanovàna an-tsokosoko tsy nampahafantarina ny mpanao gazety akory. Niteny ny Filoham-pirenena omaly hoe : « efa an-taonany maro no nandrafetana io volavolan-dalàna io ary niarahan’ireo herivelona rehetra voakasiky ny serasera sy fifandraisana nanomana ». Marina tokoa izany efa hadinon’ny Filoha fa nisy novain’ny Governemanta an-tsokosoko tsy nifampierana tao. Vao nandray ny toerany mantsy ny Praiminisitra vaovao dia tamin’ireo tompon’andraikitra ambony amin’ny gazety sy radio ary fahitalavitra eto Madagasikara. Nangataka ilay lalànan’ny serasera hatolotra eny amin’ny parlemanta ireo talen’ny orinasan-tserasera saingy tsy nanome ny praiminisitra ary nampanantena fa tsy nisy fanovana natao ilay izy. Efa lany teny amin’ny Antenimierampirenena ilay lalàna vao tankina ny rehetra satria nisy nanatsofoka tao indray ilay andininy hanagadrana mpanao gazety. Io antony io no nanaovana fivoriana maimaika ka nanangonan-tsonia naterina teny amin’ny Antenimieran-doholona izay tsy mbola nandany ilay lalàna. Arakaraka ny nitarainana teny amin’ireo loholona anefa no toa vao mainka nampirisika azy ireo hanangan-tanana hampandany ilay lalàna.
Mampanahy ny zava-mitranga satria noheverina mba hampandroso ireo andrim-panjakana natsangana nefa toa vao mainka hitarika any amin’ny fihemorana. Tsy azo inoan’ny saina mihitsy hoe mpitondra Fanjakana mihevitra ho mpanaraka ny demokrasia amin’izao taona 2016 izao no mitady ny hirika rehetra hanampenam-bava ny mpanao gazety amin’ny alalan’ny fanagadrana. Efa niaraha-nahita mantsy ny fihetsik’ity fitondrana enim-bolana monja taorian’ny nijorony fa tonga nihazakazaka nanagadra mpanao gazety. Ankehitriny dia io fa tena tadiavin’izy ireo havadika ho lalàna mihitsy ilay managadra mpanao gazety nohon’ny vaovao nivoaka.
Ny tena mahagaga dia ny firaisan-kevitra eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna. Eken’ny parlemanta ambongadiny hatrany izay volavolan-dalàna rehetra naroson’ny governemanta teny. Na dia milaza hijoro hiaro ny tombontsoam-bahoaka aza ny senatera sy ny solomnavambahoaka dia hita fa ny mifanohitra amin’izany no zava-misy. Im-piry tamin’izao fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany izao ireo parlemantera no mba nanaitra ny fitondram-panjakana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fisian’ny tsy fandriam-pahalemana, ny tsy fahafahana miteny, ny fahantrana lalina, ny hanoanana izay efa mahafaty olona betsaka any amin’ny toerana maro? Angamba tsy fantatr’ireo parlemantera akory fa saika ho isan-kerinandro dia misy olona matin’ny hanoanana hatrany amin’ny toerana maro eto Madagasikara ary anisan’izany ny eto an-drenivohitra.
Tsy afa-miteny ny vahoaka madinika ka heverina ho toy ny tsy mijaly sy tsy mihinan-kanina ary tsy robain’ny dahalo. Ny mpanao gazety sisa no tena afaka misolo vava sy mitondra ny fitarainan’ny vahoaka dia tadiavina ho tampenam-bava indray. Tena mandiso fanantenana ny zava-misy!
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







