Digy – Tovolahy matin’ny hatsika teny amoron-dalana
Tovolahy iray sahabo ho 25 taona any ho any no hita faty vao maraina, teny Andohatapenaka, amin’iny lalana digy ampitan’ny kianjan’ny Makis iny. Tsy fantatra ny antony nahafaty azy. Ary samy manana ny filazany amin’ny mety ho namoizany ny ainy avokoa ny olona nahita ny razana. Tao ireo nilaza fa mety nisy namono izy nefa tsy nahitana ratra na mangana kosa ny tenany. Ahiana ho matin’ny hatsiaka mamirifiry niampy hanoanana no nahafaty ilay tovolahy satria tsy nisy lamba nirakofana izy. Ny sakafo ihany koa tsizarizary. Tsy nisy kosa taratasy nahafantarana ny maty teny aminy. Nilaza ho tsy mahafantatra azy ihany koa ny olona eny manodidina. Efa hatramin’ny alarobia hariva tamin’ny 7ora no efa nisy nahita azy nitsirara teo an-toerana. Efa tonga nijery ny razana teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny Bmh. Misokatra ny fanadihadiana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







