Andapa – Mpangalatra lavanila naratra voafandrika
Mbola mahazo vahana hatrany ny fandrobana lavanila eny an-tsaha. Jiolahy roa nikasa hangalatra lavanila no naratra mafy voan’ny fandrika nataon’ny tompon-bokatra, tany Andapa. Fantatra fa niditra tao an-tanimboly iray any Andrakata, ireo mpangalatra, ny alarobia antoandro teo satria tsy nanampo fa misy fandrika ao. Teo am-piotazana indrindra izy ireo no tratran’ny mpiandry saha. Saika handositra iny anefa ireo olon-dratsy no voan’ny tsy nampoiziny, araka ny vaovao voangona. Nianjera nitsilany ny iray ka voa teo amin’ny lamosiny fa ny faharoa kosa teo amin’ny tongony. Tsy afa-nihetsika intsony ireo jiolahy ka niantso ny tompon-bokatra avy hatrany ny mpiandry saha ary nampandre ny mpitandro filaminana kosa iry voalohany, hany ka, noraisim-potsiny izy ireo. Ny alarobia tamin’ny 4ora tolakandro no naterin’ny zandary tany amin’ny hopitaly any Sahamazava izy roalahy mba hahazo fitsaboana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







