Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Tsy fandriam-pahalemana any Betafo – Miantso ny fitondram-panjakana ny fokonolona

Nandravarava indray ireo dahalo tany amin’ny distrikan’i Betafo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Malaso roapolo nirongo basy no fantatra fa nanao fanafihana tany amin’ny fokontany Vinanisoa, kaominina Ambohimanambola. Nipoapoaka ny feom-basy nentina nampitahorana ireo fokonolona tany amin’izany tanàna izany. Lasa noho izany ny omby maromaro tao am-bala an’ireo tantsaha sy mpamboly. Manoloana izany dia velon-taraina ireo mponina any amin’ ity kaominina ity satria mahatsiaro ho miady irery eo anatrehan’ireo mpandroba ka mangataka ny mba hojeren’ny mpitondra fanjakana akaiky. « Mba jereo izahay aty ambanivohitra ry Raiamandreny mpitondra fanjakana fa robain’ny dahalo ao anatin’ny fotoana fohy, ny omby iray na roa izay azonay tao anatin’ny folo taona tamin’ny  alalan’ny hatsembohanay. Tsy taitra mihitsy izy ireo mandroaka ny omby mivoaka ny tanàna satria tsy misy mpanara-dia. Vitsy ny zandary miasa aty aminay nefa izahay tsy sahy mifanandrina amin’ ireo dahalo raindahiny ireo », hoy ny solontenan’ireo fokonolona avy any Ambohimanambola.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre