Rn4 – Arina fandrehitra enina kamiao tsy misy taratasy nogiazan’ny zandary
Arina fandrehitra 6 kamiao no fantatra fa nogiazan’ny Zandary ny sabotsy 11 jona lasa teo, tany Manerinerina, amin’ny lalam-pirenena Rn4. Tsy fananana taratasy ara-dalàna no voalaza fa antony itazomana izany. 800 ariary isaka ny gony ny hetra tokony haloan’ny tompon’entana nefa tsy nahitana taratasy manamarika izany (coupon) ireo entana. Tsy hay hoe avy aiza no nakana ireo entana ireo fa fantatra kosa fa nentina saika hihazo an’i Mahajanga izany. Araka ny voalaza dia olona maherin’ny efapolo no tompon’ireo entana ireo ary velon-taraina fatratra amin’izao fotoana maha sarotra ny fitadiavana azy izao. Ho fiaraha-misalahy amin’ny fitadiavam-bahaolana dia nanao fanelanelanana ny tambajotra iray miaro ny zon’ny mpanjifa any Mahajanga. « Tsy misy ny fanomezan-tsiny ny fanjakana raha nandray fanapahan-kevitra izy ireo. Iaraha-mahalala anefa fa ilaintsika rehetra eto Mahajanga ny arina fandrehitra kanefa raha io no misy olana dia miara-sahirana ihany koa isika. Manoloana izany, raha misy ny azo atao hanarenana sy hanitsiana ny fahadisoan’izy ireo dia aleo izay aloha no hodinihina sy aroso », hoy ny tompon’andriakitra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







