Toamasina II – Lehilahy voatifitra saika hanavotra ny anabaviny
Lehilahy iray 40 taona any ho any no naratra mafy notifirin’ny jiolahy raha saika hanavotra ny anabaviny. Ny talata 14 jona lasa teo no nisehoan’izany tao amin’ny trano fisotroana toaka iray, tany Fanandrana, any amin’ny distrikan’i Toamasina II, tamin’ny 8ora alina. Jiolahy enin-dahy no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Araka ny vaovao voaray, ny androtr’io ihany, tamin’ny 5ora hariva dia efa nigadona tao an-toerana izy ireo fa mody nipetrapetraka nisotro toaka sy Coca cola. Rehefa alina amin’izay ny andro, tokony ho tamin’ny 8ora, nanakatona tsena ilay ramatoa mpivarotra ka niangavy azy ireo hivoaka fa tsy nety mihitsy izy rehetra. Niafara tamin’ny fandrahonana ny tompon’ny tsena hamoaka ny vola rehetra azo nandritra ny andro izany. Nilaza ho tsy manam-bola ilay tompon-tsena ka nambanan’izy ireo ny basy avy hatrany. Niditra an-tsehatra niaro ilay vehivavy avy hatrany ny anadahiny vao nahita ny fitrangan-javatra ka tsy nisalasala nitifitra ireo jiolahy. Nipoaka indroa ny basy ka naratra mafy voatifitra ny tongotra roan’ilay lehilahy. Nanjavona ihany koa ny vola mitentina 50 000 ariary. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ny naratra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







