Miandrivazo – Very hevitra amin’ny afitsok’ireo dahalo ny fokonolona
Ketraka sy valalanina tanteraka ireo mponina any Miandrivazo, amin’izao fotoana izao noho ny afitsok’ireo dahalo mitam-piadiana. Tsy misy andro mihiratra mihitsy fa saika ho isan’andro dia itrangana fanafihana mitam-basy foana any an-toerana. Tsy vitan’ny mandroba ny fananan’ireo mponina fotsiny ihany fa mahavita manolana ireo ankizy amam-behivavy sy mamono mihitsy, izay atao amin’ny fomba tena feno habibiana. Indrindra ireo mikasa ny hanohitra azy ireo. Voalaza ihany koa fa manao fanamian’ny mpitandro filaminana ny sasany amin’ireo mpanafika. Araka ny vaovao voaray tamin’ny mponina any an-toerana aza dia vitan’ireo malaso ny mampihorohoro ireo mpitandro filaminana, noho izy ireo manana basy mahery vaika mitovy amin’ny ampiasain’ireo zandary sy miaramila, toy ny Kalachnikov, Mas 36, « fusé à pompe » ary basy poleta sy ny maro hafa. Vokany, tena very hevitra sy tapi-dalan-kaleha ireo mponina any amin’ny distrikan’i Miandrivazo. Mangataka ihany koa amin’ireo tompon’andraikitra mahefa mba hijery akaiky ny toe-draharaha any an-toerana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







