Vohemar – Maty ilay mpitaingina môtô nandona omby
Lehilahy lehibe iray no namoy ny ainy, noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany amin’ny lalam-pirenena Rn5a, izay mampitohy an’i Vohemar sy Sambava, ny alakamisy tamin’ny 2ora tolakandro. Nandeha nirimorimo avy any Sambava hihazo an’i Vohemar ambony môtô marika Honda CB125 ny tenany ka nifatratra tamin’ny omby izay niampita lalana, rehefa nandalo tany Andalamahitsy, izay 23 km tsy hiditra ny tanànan’i Vohemar. Nipoitra avy any anaty ala tampoka ilay omby ka tsy nahatana familiana intsony ilay lehilahy. Mafy ny fifandonana ka nipitika alavidavitra avy teny ambonin’ilay kodiarandroa izy ary nitontona tamin’ny tany avy eo. Vokany, maty tsy tra-drano izy raha toa ka potika tsy azo ampiasaina intsony ilay môtô. Ilay omby ihany koa naratra mafy. Nidina teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana ary fantatra fa mpila ravinahitra any amin’iny faritra Sava iny ilay niharam-boina. Nandritra ny fisavana no nahalalana fa avy ao Mahavelona, any amin’ny distrikan’Ankazobe izy. Voalaza ihany koa fa tsy manana fianakaviana any izy fa any Ankazobe avokoa ny vady aman-janany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







