Ambanja – Tovolahy maty nitsahin’ny tracteur
Nijininika ny rà eran’ny arabe tany an-tampon-tanànan’Ambanja, ny andron’ny alakamisy teo, tamin’ny 4ora tolakandro. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana izay namoizana aina tovolahy iray, sahabo ho 18 taona eo ho eo. Ity farany izay voahitsaka ny « tracteur ». Araka ny vaovao voangona, nijoro teo amoron-dalana ambonin’ny kodiaran-droa ilay tovolahy no nianjera tampoka. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa nandalo moramora avy any ilay « tracteur » ka tsy nahatana intsony ny familiana na dia niezaka nijanona aza. Efa akaiky loatra ka voafaoka avy hatrany ilay tovolahy. Teo amin’ny lohany no voahitsaka tamin’izay fotoana izay ka maty tsy nialana nenina akory izy. Vaky ny lohany ary nivoraka hatramin’ny atidoha. Nidina teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza ny mpitandro filaminana nanao ny fitsirihana ary natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’izay. Ilay mpamily « tracteur » kosa notazomina ao amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana atao famotorana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







