Toamasina sy fanjakana Sinoa – Hamafisina ny fiaraha-miasa
Tonga nitsidika an’i Benandrasana Cyrille, prefet-n’i Toamasina, tao amin’ny biraony, ny masoivoho Sinoa, Ramatoa Yang Xiao Rong, ny marainan’ny sabotsy 18 jona lasa teo. Io no fitsidihana ofisialy voalohany nataon’ity masoivoho ity tany Toamasina. Naharitra ora maromaro ny fifampiresahan’ny roa tonta fa ny tena nisongadina dia ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana Sinoa sy Toamasina. Araka ny nambaran’ny Yang Xiao Rong dia efa maherin’ny 100 taona no nisian’ny Sinoa nipetraka sy nonina tao Toamasina ary tsy nitsaha-nitombo izany ka rariny raha hamafisina ny fiaraha-miasa. Nankasitraka ary nampiseho ny fahavonany hametraka lamin’asa mazava ny prefet, mba hipaka any amin’ny vahoaka tsirairay eo amin’ny fitsinjaram-pahefana ity fiaraha-miasa ity.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







