Ranom-boankazo nahafaty olona maro – Tafiditra eto Madagasikara
Miparitaka ao anatin’ny tambajotra sosialy ny fampahafantarana fa tafiditra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, ny ranom-boankazo izay nahafatesana olona an-jatony tany amin’ny firenena Tanzania. Araka ny voalaza dia avy any amin’ny firenena Ghana no fiavian’ilay ranom-boankazo fa misy poizina. Ny fantsom-pampahalalam-baovao iraisam-pirenena, izay milaza fa olona 180 isa no efa matin’io ranom-boankazo io. Fa fanontaniana mipetraka ao andohan’ny maro amin’izao fotoana izao, ny fomba nahatafidiran’io zava-pisotro io teny amin’ny fadintseranana malagasy sy ny mpiambina ny sisi-dranomasina. Mila mailo ny rehetra fa toa zary lasa toeram-panariam-pako eto Madagasikara. Tsikaritra mantsy fa be dia be ny vokatra efa tsy ilain’ny firenena any ivelany mitobaka eto amintsika, indrindra rehefa manakaiky ny fety tahaka izao.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







