Famoizam-po – Maty namono tena i Nono Mahanoro
Misaona ny mpanakanto Malagasy, maty namono tena i Nono Bary Jean na Nono Mahanoro no ahalalan’ny maro azy, mpiangaly ny gadona basesa. Ny famoizam-po, vokatry ny fahadisoam-panantenana ara-pitiavana no voalaza fa nahatonga ny fahafatesana. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra dia tratrany niaraka tamin’ny olon-kafa ny vadiny. Tsy nahazaka izany izy ka naleony nanapitra ny ainy. Nitelina fanafody be dia be izy araka ny fanazavana hatrany. Efa izy mitsirara eo ambony fandriana no hita ka na niezaka nitondra azy tany amin’ny hopitaly aza ny fianakaviana dia tsy avotra intsony izy. Namela kamboty valo mianadahy ity mpanakanto an-drarezina amin’ny gadona basesa ity. Andrasana any amin’ny Tranompokonolona Mahanoro ny razana. Ny gazety Madagascar Matin dia mirary fiononana feno hoan’ny fianakavian’ny maty.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







